Confession of Faith
This congregation confesses the Triune God Father, Son, and Holy Spirit. This congregation confesses Jesus Christ as Lord and Savior and the Gospel as the power of God for the salvation of all who believe:
- Jesus Christ is the Word of God incarnate, through whom everything was made and through whose life, death, and resurrection God fashions a new creation.
- The proclamation of God’s message to us as both Law and Gospel is the Word of God, revealing judgment and mercy through word and deed, beginning with the Word in creation, continuing in the history of Israel, and centering in all its fullness in the person and work of Jesus Christ.
- The canonical Scriptures of the Christian Bible are the written Word of God. Inspired by God’s Spirit speaking through their authors, they record and announce God’s revelation centering in Jesus Christ. Through them God’s Spirit speaks to us to create and sustain Christian faith and fellowship for service in the world.
- This congregation accepts the canonical Scriptures of the Old and New Testaments as the inspired Word of God and the authoritative source and norm of its proclamation, faith, and life.
- This congregation accepts the Apostles’, Nicene, and Athanasian Creeds as true declarations of the faith of this congregation.
Fanambarana ny Foto-pinoana
Ny Fiangonana dia mino an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina; Mino sy manaiky, fa Jesoa Kristy no Tompo Andriamanitra sy hany Mpamonjy izao tontolo izao ary:
- Jesoa Kristy no Teny tao amin’ Andriamanitra izay tonga nofo ka nonina tamintsika. Izy no nahariana izao rehetra izao, ary tamin’ny alalany, fahafatesany, ary ny fitsanganany ho velona no nanavaozan’Andriamanitra ny amin’ny fiainana vaovao.
- Ny fanambarana ny hafatr’ Andriamanitra ho antsika izay lalàna sady vaovao mahafaly no tenin’Andriamanitra, manambara fitsarana sy famindrampo amin’ny teny sy ny atao, hatrany ampiandohana tamin’ny Teny namoronana izao rehetra izao, nitohy tamin’ny tantaran’ny zanak’ Israely, ary nifantoka tanteraka amin’ny maha Izy Azy sy ny asa nataon’i Jesoa Kristy.
- Ny soratra masina ao amin’ny Baiboly Kristiana no mirakitra ny tenin’ Andriamanitra. Vokatry ny fitarihan’ny Fanahin’ Andriamanitra ireo mpanoratra no nandraketan’ izy ireo ny fanambaran’ Andriamanitra ny amin’i Jesoa Kristy. Avy amin’izany no ampaherezan’ny Fanahy Masina antsika hampitombo sy hanamafy ny finoana Kristiana ka hanaovana ny asa fitoriana manerantany.
- Manaiky ny Mpikambana fa:
Ny Tenin'Andriamanitra voarakitry ny Soratra Masina ao amin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao no loharano hanovozana ny herin’Andriamanitra ary koa didy izay iankinan'ny finoany, ny fiainany, ary ny antom-pisiany sy ny asany. - Manaiky ny Fanekem-pinoana iombonan'ny Fiangonana Kristiana manerana izao tontolo izao izay antsoina hoe "Symboles Oecuméniques” na Creeds - ny Fanekem-pinoana Apostolika, Niseana ary ny Athenasiana izany.